FANTINA sy FINTINA

Mitsidika ny any New Delhi Inde, ireo delegasionina tarihin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin. Nanomboka afakomaly ny fivahinianana any an-toerana ka nihaonan’ny delegasionina tamin’ny mpirakidraharaha eo anivon’ny masoivoho malagasy, Rasamoelina Tahina. Hihaona amin’ireo mpitondra izy ireo aorian’izany.
Any New York Etazonia ireo loholona mirahavavy, Ramarosoa Emiline sy Raharinirina Sidonie, amin’izao fotoana izao. Mandray anjara amin’ny fivoriana faha-69 ho an’ny vaomiera misahana ny satan’ny vehivavy ao amin’ny foiben’ny ONU izy ireo. Hiompana kokoa amin’ny resaka zon’ny vehivavy ny dinika amin’izany.
Nitsidika ny Lapan’i Tsimbazaza, omaly, ireo mpianatra taona voalohany ao amin’ny Sekoly ambony momba ny Ita sy ny serasera na Ecole supérieur de l’information et de la communication (Samis-Esic) ao amin’ ny Saint Michel Amparibe. Nohazavaina tamin’izy ireo tamin’izany ny andraikitr’ireo depiote. Teo koa ny adihevitra sy fanontaniana.
Notebahin’ny depiote Rafidimanana Desire ireo nanakiana ny nahazoan’ny filohan’ny Repoblika fiara vaovao. Nambarany fa raha izy tenany aza no filoham-pirenena mba mila fiara tsara. « Olon-tsotra aza mitondra fiara raitra be mandeha miasa… Sao mba diso toerana ilay fialonana. Ny tahaka izany no tena mahavoa antsika », hoy izy.

Partager sur: