Nanomboka omaly ary haharitra hefarana ny fampiofanana ireo ho mpampiofana ho amin’ny fampandrosoana eny ifotony. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny any (MFFT) izany ary tanterahina etsy amin’ny FDL Anosy.
Nambaran’ny tomponandraikitra fa hatao izao mba hanamafisana ny fahaiza-manao teknika sy ara-panabeazana ho an’ireo voakasika. « Hahafahany manohana amim-pahombiazana ny kaominina amin’ny fametrahana ny Rafitra ifotony ny fikaonandoha (SLC) sy ny fandraisan’anjaran’ ny fiarahamonim-pirenena », hoy izy ireo. Nanterin’ny eo anivon’ny MFFT fa ho amin’ny fampiroboroboana ny fitantanana mangarahara sy iaraha-manapa-kevitra koa izao fampiofanana izao.
Tafiditra ao anatin’izany koa ny famolavolana ny Drafitra fampandrosoana ifotony tsy manavaka iombonan’ny sehatra rehetra (PDLII) amin’ ny alalan’ny fandraisana an-tanana ny olan’ny tontolo iainana. « Hatao laharam-pahamehana amin’ny famolavolana io PDLII io ny fampidirana ireo fepetra sy paikady hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro, ka hanome toky fa haharitra sy mifanaraka amin’ny zava-misy eny anivon’ny vondrom-bahoaka izany », hoy ny eo anivon’ny minisitera.
Fametrahana fitantana mahomby
Manampy izany ny fampidirana ny foto-pitsipiky ny fomba fanofanana natao ho an’ny olon-dehibe amin’ireo mpisehatra ifotony.
Nambaran’ny eo anivon’ny MFFT fa tanjona kendrena amin’izany ny hanomezana fahalalana sy fitaovana matanjaka ho an’ireo mpampiofana mba ho afaka manohana sy manampy amin’ny fitantanana mahomby sy maharitra ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izy ireo.
*
Synèse R.