« Forum du secteur privé-Genève »: Hampivondrona ireo mpandraharaha maneran-tany

Ambohi-pihaonan’ireo mpandrahara maneran-tany ny « Forum du secteur privé » atao any Genève Suisse. Fotoana iray hanandratana avo ny vokatra malagasy sy hisarihana ireo mpampiasa vola vahiny ho tonga eto Madagasikara.

Manamora ny fifandraisana amin’ireo fire­nena any ivelany i Genève Suisse noho izy toerana anisan’ny hivezivezen’ ireo mpandraharaha maneran-tany. Antony hanaovana ny hetsika iraisam-pirenena
« Forum du secteur privé » any an-toerana, ny 2-3 mey. Soa fanararaotra ho an’i Ma­dagasikara izany hisarihana ireo mpampiasa vola vahiny ho avy eto amin’ny Nosy. « Maro karazana ireo vokatra mala­gasy azo hatolotra mandritra ireo fotoana ireo entina hampiroboroboana ny toekarena eto an-toerana », hoy ny filohan’ny federasionin’ny Ante­nimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM), Ramiandrisoa Ber­nardin, omaly, tetsy Ambodifi­lao. Tsindrina manokana, hoy izy, ny sehatry ny indostria, ny fandraharahana eo amin’ny fambolena, ny harena an-kibon’ny tany, ny fizahantany ary ny asa tanana malagasy izay azo hiaraha-miasa amin’ ireo mpampiasa vola. Ankehi­triny, efa any an-toerana ireo mpandraharaha mpandray anjara rehetra.
Tohana

Hanolo-tanana ireo mpandraharaha amin’ny fandefasana ireo asa tanana malagasy hampirantiana mandritra ny hetsika atao ny FCCIM. Taf­i­ditra ao anatin’izany ny tsy fan­doavan-ketra amin’ny fivezivezen’ireo entana any ivelany.
Ankoatra izay, mbola manam-potoana hatramin’ny 21 marsa ireo mpandraharaha liana te handray anjara amin’ ny hetsika hamelabelatra sy handresy lahatra ireo mpampiasa vola vahiny handraha­raha eto Madagasikara. Noho izany, manodidina ny 100 ireo Malagasy mpisehatra andrasana amin’ny hetsika «Forum du secteur privé».
Vaindohan-draharaha ny FCCIM ny mampiditra ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna hampandrosoana ny toekarem-pirenena. Marihina fa miara-misalahy amin’ny fikarakarana ny hetsika ny Federasionin’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM) sy ny Antenimieran’ ny varotra sy indostria Genève-Antananarivo (CCIGA).

Henintsoa Hani

Partager sur: