Komity mpanatanteraka anivon’ny Caf: Kandidà Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny FMF

Anisan’ireo anatin’ny lisitra hofidina ho komity mpanatanteraka eo anivon’ny Caf Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Andrasana anio ny vokatra.

Hotanterahina anio, any Le Caire renivohitr’i Egypte, ny fifidianana izay ho filohan’ny Kaon­federasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) sy izay ho komity mpanatanteraka. Kandidà tokana ho laniana amin’ny tehaka i Patrice Motsepe, avy ao Afrika Atsimo sady nitantana ny Caf teo aloha ihany. Anisan’ireo handresy lahatra ny mpifidy mba hahatafiditra azy ao anatin’ny Komity mpanatanteraky ny Caf kosa Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF).
Ao amin’ny fikambanan’ny baolina kitra aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika (Cosafa) moa ny tenany no niditra, ary miisa dimy izy ireo no hihazakazaka ho amin’izany. An­koatra azy, eo koa ilay seyseloa, i Elvis Raja Chetty, sy ilay maorisianina, i Sobha Mo­hamad Ally Samir. Manampy azy ireo ilay teratany Botsoa­ney, i Mac Lean C. Letshwiti ary i Feizal Ismael Sidat avy atsy Mozambique.

Hampiakatra an’i Afrika

Fanamby goavana ho an-dRandriamanampisoa Alfred, araka izany, ity fifidianana ity. Miara-misalahy amin’ny Caf ny tenany, ary omaly dia nisy ny fivoriambe ara-potoana izay natrehin’ity lehiben’ny FMF ity. Tanjon’ity filoha ity ny hampiakatra ny lentan’ny baolina kitra aty Afrika, indrindra ireo firenena avy aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika sy ny eto amin’ny ranomasimbe Indianina.
Tsara ny mampahafantatra fa izy no angady nananana sy vy nahitana ny fifanintsanana Fifa Ocean Indian Tour­nament, notontosaina teto Madagasikara, ny 16 hatramin’ny 22 desambra 2024 lasa teo.

Fitia Randria

Partager sur: