Lakana rendrika ; renim-pianakaviana iray namoy ny ainy

Renim-pianakaviana iray 26 taona, manambady, ma­nan-janaka kely, namoy ny ainy vokatry ny faharendrehan’ny lakana tetsy amin’ny Fasan’ny karana miampita ny fokontany Ankazotoho Ano­simahavelona, afakomaly tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Hita omaly maraina ny vatana mangatsiakany rehefa nokarohin’ny sampana mpamonjy voina, raha naharay antso mahakasika ny tranga izy ireo tamin’ny 6 ora sy 24 mn hariva. Tonga teny an-toerana izy ireo 20 mn taorian’ny antso. Natao avy hatrany ny fikarohana rehetra nefa tsy nahitam-bokany izany adiny efatra taty aoriana. Nitohy omaly maraina vao mangirandratsy ny fikarohana ka nahitana io razana io. Feno loatra ny lakana, olona 18 no nisesika tao anaty lakana ary tafiditry ny rano ka antony nahatonga ny filentehany, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina. “Vo­tsotra tamin’ny tady ny tananan’ilay mpitondra lakana, nikoropaka sy samy namonjy ny ainy ireo mpandeha tao anatiny”, hoy ny sefo fokontany Ankazotoho Ano­sima­ha­velona, Rakoton­dra­­soa Haris Jocelyn. Namba­rany fa manodidina ny 11 hatramin’ny mpamily ny olona nandeha tamin’io lakana io. Avotry ny olona manodidina sy ny sampana mpamonjy voina, afakomaly hariva ihany, ny sivy tamin’ireo mpandeha, raha ny fanazavany.
Ho ferana ho sivy ihany ny isan’ny mpandeha lakana manomboka izao. Angata­hin’ny sefo fokontany ny hanasiana tetezana eny an-toerana. Efa nalefa eny anivon’ny Brigade criminelle Anosy omaly hariva kosa ilay mpamilin’ny lakana. Raha toa ka nentin’ny tomponandraikitry ny fokontany eny anivon’ny CSP5 Mahamasina ilay mpamilin’ny lakana vao nitranga ny voina. Mba hiarovana ny ainy sy hialana amin’ny fitsaram-bahoaka manoloana ny fiparitahan’ny vaovao tamin’ny tambajotra sosialy.

Mino

Partager sur: