Mahakasika ny fanadinam-panjakana CEPE dia namerina nanazava ny avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hisian’ny fitonian’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra. Mijanona hotantanin’ny minisitera ny lafiny teknika rehetra.
Ny tantsoroka ho fampitoviana lenta ny fanadinana manerana ny Nosy dia hiantohan’ny minisitera. Ny laza adina CEPE kosa dia isaky ny Dren no itondrana azy ary mitovy izany amin’ ireo Cisco rehetra ao anatin’ny Dren.
Mitohy kosa ny tantsoroka ataon’ny fitaleavana omena ny Dren sy Cisco mandritra ny dingana rehetra. Efa misy ny lasitra nitondrana ny laza adina hatramin’izay (analyse des épreuves). Io lasitra io no hamaritra ny lentan’ny fahaizana izay takina amin’ny ankizy mahavita ny dingana hatreo amin’ ny T5. Io hatrany no hampiasaina ary io no entina hampitoviana lenta ny laza adina manerana ny Nosy.
Manentana ny mpampianatra sy ny mpitantana rehetra amin’ny fandraisana anjara ny lamina vaovao ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena.
Tatiana A