Tsy ny ranobe na ny haintany ihany no voka-dratsy ateraky ny toetr’andro mivadibadika. Mahakasika mivantana ny andavanandron’ny tsirairay izany. Lasibatra voalohany ny lafiny fahasalamana. Voatohintohina mivantana ny sakafo sy ny fanjifana araka ny tokony ho izy na tsia. Mila mijery akaiky izany ny mpivarotra hani-masaka izay mahazo vahana etsy sy eroa.
Tampoka ary mety mahafaty ny fanapoizinana ara-tsakafo raha tsy voavonjy malaky. Marina fa manamora kokoa ny fiainan-dRamalagasy ny mihinam-potsiny, tsy misahirana, saingy loza mihantona izany. Indrindra raha sendra ny mpivarotra voredretra, tsy mivaky loha amin’ny fahadiovana. Mahavariana fa tena misy dia mihanjahanja amin’ny rivotra sy lalimanga ny hanina amidy.
Tsy mivaky loha izany ny ankamaroan’ny olona. Asa, baikoin’ilay tsy fananam-bola angamba dia zara aza misy harapaka? Tena mirangorango sy mitangorona ny mpanjifa amin’ny mpivarotra hani-masaka mandehandeha sy eny ankalamanjana tsy misy fiarovana. Ar 300 na Ar 500 dia efa mihinana paty. Asiana sakay sy rony miharo saosy na tsiro simika dia efa milamina.
Tena afapo ny mpanjifa na dia indray mandeha isan’andro ihany aza no mihinana, noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Sady tsy mandany fotoana ilay misakafo amoron-dalana no mampihena ny fandaniana isan-tokantrano. Aiza tokoa no hahita izany? Vao migadona ao an-trano dia midaboka eny am-pandriana. Efa voky no tsy mandrehitra afo intsony!
Mila malina hatrany anefa amin’ny fomba fiainana diso tsotsorina tahaka izany. Tandindomin-doza ny fahasalamana izay voalohan-karena. Mila mijery lavitra sy mitsinjo ny vodiandro ho merika anefa. Tena sarotra ny manala ilay patsa iray tsy omby vava, moa ny mahihitra ihany koa no lany be.
r.r