Minisiteran’ny Raharaham-bahiny : Nohavaozina sy nohatsaraina ny efitrano fivoriana

Nandritra ny 20 taona, tsy nisy fanamboarana ny efitrano fivoriana eny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy. Amin’izao, nohavaozina sy nohatsaraina izany fandraisana fivoriana iraisam-pirenena sy fifanaovan-tsonia amin’ireo firenena avy any ivelany izany. Mariky ny fa­hombiazan’ny diplaomasia malagasy amin’ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny any ivelany izao nahazoana nanao ny fanavaozana izao.
“Lanonana nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny efitrano fivoriana eto amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny no natao. Nasiana fanavaozana izany tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’i Chine sy i Madagasikara”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavi­ta­fika, tamin’ny mpanao gazety taorian’ny fitokanana niaraka tamin’ny ambasadaoron’i Chine miasa eto Madagasi­karea, Sem Ji Ping.
Ankoatra izany, nambaran’ ny minisitra fa misy ny fanoloran’ny masoivoho sinoa tolo-tanana eto Madagasikara. Fanehoana fiaraha-mientana miaraka amin’ny vahoaka malagasy, indrindra ho an’ireo traboina noho ny fandalovan’ ny rivodoza tany an-toerana, tamin’ny herinandro farany teo. Maro ireo zavatra hat­olotr’izy ireo: fanafody, sakafo, fitaovana maro samihafa… Hahazoana mijery ireo vahoaka ao anatin’ny fahasahiranana noho ny fandalovan’ny rivodoza ny antony. Noho ny fiaraha-miasa matotra misy eo amin’i Madagasikara sy ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine izay, araka ny nambarany. Ho tonga any Moron­dava amin’ny herinandro am­bony ireo entana, ary hatolotry ny ambasadaoro amin’ny fomba ofisialy.

R. Nd.

Partager sur: