Hifanandrina amin’ny dingana manasa-dalana, fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, ny ekipan’ny Cosfa sy ny SOE, sokajy latsaky ny 16 taona, lehilahy. Lalao hotanterahina eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny faran’ny herinandro izao.
Hanatanteraka fivoriambe ny eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, ny zoma 21 marsa izao. Fivoriambe hanaovana ny tatitra ny taom-pikatrohana 2024 sy hamoahana ny fandaharanasa ho an’ny taom-pikatrohana 2025. Aorian’izay, hiroso avy hatrany amin’ny fifaninanana.
Hivoaka anio, etsy Isoraka, ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar hiatrika ny fifanintsanan’ny “Mondial 2026”, hatao any Meksika sy Etazonia. Tsiahivina fa any Maroc avokoa no hatao ny lalaon’i Madagasikara, ary hifanandrina amin’i Centrafrique sy i Ghana ry zareo.
Ho fantatra anio ireo ekipa valo hiatrika ny lalao ampahefa-dalana, fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, « Ligue des Champions 2025 ». Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro, anio, any Espagne, ny lalao miverina hihaonan’ny Atletico Madrid sy ny Real Madrid. Manana tombony amin’ny isa iray ny Real.