« Rosh hashanah » na ny Taom-baovao ho an’ny Hebreo. Fotoana hifamelan-keloka, hamitranam-pihavanana mba hananana fo madio hiatrehana ny taona vaovao. Fotoam-piravoravoana sy fifaliana noho izy lavitry ny romoromo sy fiatsarambelatsihy. Nomarihin’ny Shalar Andriamady Rija, sekretera jeneralin’ny Fikambanan’ny Hebreo eto Madagasikara (FHM) fa anatin’ny volana « habib » ny fankalazana ny Taom-baovao ho an’ny Hebreo. Fidiovana, fialana amin’ny fahazaran-dratsy mba hananana fiarahamonina mirindra sy tsara kokoa. Ny tontolo andron’ny alahady 30 marsa ho avy izao. Etsy Ankasina misy ny « bet kneset » na trano fivavahana ho an’ireo mpanaraka ny finoana Hebreo notsrym no hanamarihana ny Taom-baovao na « Rosh hashanah » (400m miantsinanana raha miala ny Gare routière Maki Andohatapenaka, amin’ny havanan-dalana).
Mandritra ny fotoam-pankalazana ny Taom-baovao Hebreo no hihinanana ny vary amin-tantely tondrahan-dronono, hanimpitoloha. Fandraisana ny tsodrano avy amin’ireo ray aman-dreny mba hahomby amin’ny hatao. Miseho amin’ny endrika roa ny fankalazana ny « Rosh hashanah » na ny fidiovana. Ny anatiny, tanterahina amin’ny alalan’ny fifamelan-keloka sy fikosehana tsy hisy intsony ireo mety ho disadisam-piarahamonina. Fanadiovana ny fo amam-panahy. Ny ivelany, famoahana akanjo vaovao ho an’ny Hebreo handraisana ny taona vaovao. Marihina fa manaraka ny tsingerim-pambolena ny alimanaka arahin’ny Hebreo.
Nanangona :
HaRy Razafindrakoto