tetikasa Echo Rup: Miditra amin’ny dingana faharoa

Natomboka omaly tamin’ ny fomba ofisialy ny andiany faharoa amin’ny tetikasa “Echo Rup II” tanterahina eto amin’ny kaominina Antana­narivo Renivohitra momba ny fiomanana hanatsarana ny fandraisana andraikitra manoloana ny loza samihafa. “Ny tondradrano no mpiseho matetika eto an-dRenivohitra mandritra ny fotoam-pahavaratra tahaka izao ka vonona ny mpiasan’ny kaominina hiofana hanamafy ny traikefa amin’ny fiomanana sy ny famaliana avy hatrany rehefa ao anatin’ny hamehana”, hoy ny ben’ny tanàna, Ramanan­tsoa Harilala, omaly, teny An­korondrano. Manana sampandraharaha misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza rahateo ny kaominina Antananarivo Renivo­­hitra. Nanova paikady ny fanjakana malagasy amin’ny fiatrehana ny voina ka nohamafisina ny fiomanana sy ny fisorohana nanomboka tamin’ny fotoam-pahavaratra 2023-2024. Hain­gana kokoa ny fikorianan’ny rano aorian’ny fila­tsahan’ny orambe noho ny fanadiovana ny lakandrano samihafa, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ ny BNGRC, ny jeneraly Elack Andriakaja Olivier. Haharitra roa taona ny andiany faharoa amin’ny tetikasa ka hifantoka amin’ny fanamafisana ny fiomanana sy fijerena ny faharefoana hampihenana ny isan’ ny olona traboina na voaka­siky ny voina. Fahatelo ny fa­ndinihana ny sora-bola atolotra ireo niharam-boina amin’ny alalan’ny « Cash transfert ».
Manohana vola ny tetikasa ny Vondrona eoropeanina sy ny Fandaharanasan’ny Fi­renena mikambana momba ny sakafo (Pam). Firenena efatra aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika no nahazo tohana amin’ ny tahiry Echo. Manara-maso sy manombana ny faharefoana ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina izay nametraka tondro tokana momba ny faharefoana.

Vonjy

Partager sur: