Ravan’ny zandarimaria avy ao amin’ny borigadin’Andoharanofotsy ireo tambajotra mpamaky trano sy mpangalatra moto. Nahitana lehilahy efatra niaraka tamin’ireo entana nangalariny sy efa nolokoiny avy. Mpisera finday halatra, mpandoko moto, mpividy halatra ary mpiray tsikombakomba. Nisy namaky ny trano iray tao Andoharanofotsy, ny alin’ny 11 hifoha 12 febroary 2025 lasa teo. Lasan’ny olon-dratsy, tamin’izany, ny entana maromaro tao an-trano. Tonga nitory ilay tompon-trano taorian’izay. Nanao fanadihadiana sy fikarohana ny zandary ka nahafahana nisambotra io tambajotra io. Hita, nandritra izany, ihany koa ireo entana nangalariny izay efa nolokoin’izy ireo.
Voasambotry ny polisy, afakomaly, ireo lehilahy telo mpitrandraka vato tsy ara-dalàna ao anaty ala voajanahary arovana any Anjanaharibe Sud. Tratra teo am-pitrandrahana vato izy ireo ary nanohitra ny polisy tamin’ny fitaovana nampiasainy. Voatery nanao tifi-danitra ho fampitandremana ny polisy ary nisambotra azy telo lahy. Tafiditra ao anatin’ny alan-javaboahary misy karazam-biby sy zavamaniry maro tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara io toerana io. Efa eny anivon’ny polisy, ao Andapa, izy ireo hanaovana fanadihadiana.
Vehivavy iray tratran’ny fokonolona niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tany Tanambao 5, parcelle 13/82, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Efa tafiditra tao an-trano, nisavasava ny armoire rehetra izy no hitan’ny olona. Nosavain’ny fokonolona ny kitapo teny aminy ary nahitana tournevis. Fantatra fa fitaovana entiny hanaovany ny asa ratsy izany. Efa niantsoana mpitandro filaminana ny tenany ary efa anaovana fanadihadiana eny amin’ny polisy.
Tovolahy iray 24 taona nanolana ankizivavy 15 taona voasambotry ny polisy Ankadindravola, tamin’ity herinandro ity. Nanararaotra nampihatra ny filan-dratsiny tamin’io ankizivavy io nandritra ny fotoanan’ny rotsakorana ny 07 marsa lasa teo, tao amin’ny kaominina Ivato Ambohidratrimo izy io. Noferany sy norahonany tsy hilaza ny tranga nahazo azy ity lasibatra ity tamin’izany. Tonga nitory teny anivon’ny biraon’ny zandary ny renin’ilay zazavavy, nanomboka teo ny fikarohana ka izao voasambotra izao ilay mpanolana.