Nahazo fitaovam-pamokarana marobe ny fikambanana tantsaha miisa 9 any Vakinankaratra. Nahitana borety 24, motopaompy 3, maotera 24CV, fitotoana voamaina, motoculteurs, remorques, fivelesana vary, fanafangaroana provandy, sns. Nisitraka ireo ny tantsaha any amin’ny distrika Antsirabe II, Betafo, Mandoto ary Faratsiho.
Miara-misalahy manara-maso ny vidim-bary 750 Ar ny kapoaka ireo tomponandraikitra samihafa hisorohana ny fanararaotana. Mitohy hatrany ihany koa ny fanaparitahana ny vary nafarana hisitrahan’ny mpanjifa ny vokatra amin’ny vidiny ara-drariny. Nahomby ny toromarika napetraky ny filoha hampihenana ny vidim-bary.
Natao tany Mindelo Cap Vert ny fivorian’ireo Nosy madinika sy andalam-pandrosoana afrikanina (SIDS) mahakasika ny jono, ny 6-8 marsa teo. Tanjona ny hiarovana ny harena anaty rano isaky ny firenena mba hisitrahana ny tombontsoa avy aminy hiteraka fampandrosoana. Nandray anjara tao i Madagasikara, Cap Vert, Kaomoro, Seychelles ary Sao Tomé.
Hankalazaina ny sabotsy izao ny « Earth Hour ». Fotoana hanomezana adiny iray ho an’ny tany sy hanomezan-danja ny tontolo iainana. Homarihina amina
hetsika maro ny fankalazana toy ny fikarakarana ireo zana-kazo novolena tany Antsahadita sy fanaraha-maso ny fitombony ary famaritana ny tanin-jana-kazo amin’ny Application Treetracker.