Hotanterahina any Ihosy, ny sabotsy 15 marsa ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny Cross-country. Fifaninanana karakarain’ny Federasiona malagasin’ny taranja atletisma (FMA). Fanamarihana ny fanombohan’ny taom-pikatrohana 2025 ihany koa izy ity. Voalohany no hotanterahina ivelan’Antananarivo ity fifaninanam-pirenena amin’ny Cross-country ity.
Handray anjara amin’ity avokoa ireo ligim-paritra rehetra mandrafitra ny federasiona. Ho fantatra eo, araka izany, izay handimby an-dRakotondrainy Heritiana Elysé (Cosfa) sy Ralisinirina Marthe (3FB Analamanga), tompondaka tamin’ny taon-dasa.
Hisy sokajy efatra ny hazakazaka ka eo ny an’ny U16 vehivavy (2 km), ny U16 lehilahy (4 km). Ny U18 vehivavy (4 km) sy ny U18 lehilahy (6 km). Ny U20 vehivavy (6 km) sy ny U20 lehilahy (8 km). Ary ny Senior, lahy sy vavy, mirefy 10 km. Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny hazakazaka mifampitohy hifanandrinan’ireo mpianatra amin’ny sekoly any an-toerana.
Tompondaka