Ceni : Hanao fifidianana loholona

Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, amin’ny alalan’ny mpampakateny, Soava Andriamarotafika, fa eo am-pandrafetana ny hanatontosana ny fifidianana ireo ho loholona izy ireo. Natsi­diny fa tokony hotanterahina ny novambra amin’ity taona ity izany ary tokony ho tafapetraka ny fiandohan’ny taona 2026 ny mpikambana handrafitra ny Antenimierandoholona. Efa ho tapitra ny fe-potoam-piasan’izy ireo. “Tokony ho efa vita mialoha izany fe-potoana izany ny fifidianana ny ho lehiben’ny faritra sy ireo mpanolotsaina, miaraka aminy”, hoy izy. Efa eo am-pandaminana izany ny Ceni amin’izao fotoana izao ka anisan’izany ny fifidianana ny lehiben’ny faritra sy ireo mpanolotsain’ny faritra. Tahaka izany koa ireo mpanolotsaina isaky ny faritany. “Efa voafaritry ny lalàna fa ireo avy eo no hifidy ny loholona ampian’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny tanàna, eo anivon’ny filankevitra”, hoy ihany izy. Nambarany koa fa tokony hotanterahina mialoha ny fifidianana loholona ireo fifidianana rehetra voatanisa ireo.

Synèse R.

Partager sur: