“CSW69”: Tombanana ireo ezaka vitan’i Madagasikara

Mitarika ny delegasiona malagasy any Etazonia, amin’ny fivoriambe andiany faha-69 ny komity misahana ny anjara toeran’ny vehivavy ao anatin’ny Firenena mikambana na CSW69 ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie.
Vehivavy tomponandraikitra maneran-tany no manao tombana ny fanatanterahana ireo fanamby natao tany Beijing, 30 taona lasa izay.
Dinihina ny mahakasika ny anjara toeran’ny vehivavy amin’ ny sehatry ny fanapahan-kevitra, ny fahasalamana sy ny fa­nabeazana. Eo koa ny fampi­tsaharana ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, ny fampandraisana anjara ny vehivavy amin’ny fampandrosoana lovain-jafy. Anaovana tombana koa ny fampananana asa mahavelona, ny ady amin’ny fahantrana, ny fiahiana ara-tsosialy…
Nahavita ezaka i Madaga­sikara amin’ny fanomezan-dan­ja ny zon’ny vehivavy. Na izany aza, mbola betsaka ny asa miandry amin’ny fampizakan-tena azy ireo, mifanaraka amin’ny politika akapoben’ny fanjakana ao anatin’ny vina fampiroboroboana ny maha olona.
Mifanindran-dalana ny fivoriana manokana mahakasika ny fampiharana ireo fa­namby tany Beijing, ao ana­tin’ny vondrona Sadc, izay na­taon’ireo minisitra sy ireo tomponandraikitra misahana ny vehivavy.
Nampahatsiahivina ta­min’ io fa i Madagasikara no hampiantrano ny fivoriambe faratampon’ny Sadc amin’ny volana aogositra 2025 ho avy izao.

Tatiana A

Partager sur: