Disciples FC – sokajy vehivavy : Hiezaka hitazona ny anaram-boninahitra

Anisan’ireo ekipa mbola manana solontena amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy vehivavy U17 sy Senior ny Disciples FC Vakinankaratra. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny tomponandraikitr’ity klioba ity, vonona izy ireo hiatrika ny fifaninanana. Tanjona ny tsy hamotsotra ny amboara izay efa azon’izy ireo tamin’ny taon-dasa.
Tsiahivina fa nandritra ny dingana faharoan’ny fifanintsanana, nifarana ny 2 marsa lasa teo, nahazo laharana voalohany ny sokajy U17 sy ny Senior an’ity klioba ity, tao amin’ny vondrona Mahajanga. Efa miatrika fanomanana tanteraka ny mpilalaon’izy ireo ankehitriny ary nilaza fa tsy hanao ambanin-javatra io fifaninanana nasionaly io.
Tsara marihina fa ho an’ny sokajy Senior, ny Askam Afa Itasy, AC Sabnam Ana­la­manga,ny Ascuf Matsiatra Am­bony, ny As Myeco Anosy ary ny Samba DS Diana no hiady ny anaram-boninahitra amin’ny Disciples FC Vaki­nan­karatra. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 19 hatramin’ny 23 avrily ho avy izao, eto Antananarivo, ny tohin’ity lalao ho an’ny vehivavy ity. Ampahafantarina fa ny fifanintsanana nasionaly dia mbola ao anatin’ny taom-pilalaovana 2024.

Fitia Randria

Partager sur: