Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, omaly, ny delegasionina Japoney, eo anivon’ny Jica.
Anisan’ny niompanan’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ny hijerena ny fanatsarana an’Antananarivo Renivohitra. Anisan’izany ilay tetikasa lehibe iarahana amin’ny masoivoho japoney ho an’ ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (Jica) momba ny fitantanana ny fako. Tafiditra amin’ilay tetikasa Gesda izany ary natao ho fanatsarana ny fitantanana sy fanodinana ny fako eto an-dRenivohitra. Efa nanaovana tombana izany ary efa hirosoana amin’izao fotoana izao.
Etsy andaniny, noresahin’ny minisitra sy ireto delegasionina japoney ireto koa ny lafiny fanatsarana ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe. Efa nisy asa fanombohana izany tamin’ny alalan’ireo manampahaizana momba ny tanàn-dehibe eo anivon’ny Jica. Nijery ifotony ny momba ny fifamoivoizana teto Antananarivo Renivohitra sy ny fifamezivezena ao anatin’izany ary efa nanaovana fanadihadiana manokana.
Fanambin’Antananarivo Renivohitra
Niray feo ny andaniny sy ny ankilany amin’ny fiaraha-miasa maharitra sy ny fikaroham-bahaolana miaraka ho amin’ny fanambin’Antananarivo Renivohitra amin’ny fahadiovana sy maha te honina ary mendrika.
Tsiahivina fa efa ben’ny Tanàna teto an-dRenivohitra ny minisitra Andriantsitohaina Naina ka mahalala ireo fandaharanasa sy tetikasa ny tenany.
Anisan’ny nitarika ny delegasion’ny Jica ny lehiben’ireo manampahaizana japoney momba ny tetikasa fitantanana ny fako (Gesda), Maeda Masakazu, sy ny mpanolotsaina manokana momba ny fitantanana ny tanàn-dehibe, Toshio Fujiwara.
Synèse R.