Fampirantiana : Hasongadina ireo vehivavy nanamarika ny tantara

Nisy, ary mbola misy vehivavy misongadina eto Ma­dagasikara. Fampahafanta­rana azy ireny sy ny zava-bitany mitoetra ho an’ny firenena no tanjona amin’ilay fampirantiana «Femmes, audace, héritage : portraits». Nisokatra omaly izy ity, eny amin’ny Mozean’ny saripika eny An­johy. Manomboka any amin’ny tantaran’ireo Mpanjakavavin’i Madagasikara toa an-dRa­navalona voalohany, izay nifikitra tamin’ny nentim-paharazana ny fampahafantarana. Mandalo an’i Juliette Fiche, vehivavy mpandraharaha na­namarika ny taonjato faha-19. Victoire Rasoamanarivo, kristianina malagasy niaro ny finoany ka efa lasa Olontsam­batra, sns. Tsy ny mombamomba azy ireo fotsiny, fa ny zava-bitany nanamarika ny firenena ihany koa no tena homen-danja amin’ny fampirantiana. Anisan’izany, ohatra, ny filofosan’ny mpanjakavavy farany, Ravanalona III tamin’ny fiarovana ny ala. Tsy mba nisy mpiresaka firy tanatin’ny tantara mantsy izany. Misy vehivavy mpanakanto sy mpanao politika ihany koa, nosafidiana manokana hampahafantarina ao.
Tanjona ny hanome aingam-panahy ho an’ny mpitsidika, avy amin’ny tantara sy ny nodiavin’ireto vehivavy mamiratra ireto. Fampirisihina mba hanao fitaratra ny tsara vita sy hihoatra lavitra kokoa aza no hatao.
Tafiditra ao anatin’ilay he­tsika “Festival à Voix Haute! – Vehivavy Mitafa” ity fampirantiana ity. Mbola fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ihany koa ary vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra (CUA) sy ny Région Île-de France, miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny minisiteran’ny Ra­haraham-bahiny eoropeanina. Maromaro ireo hetsika hafa manodidina izany, raha ny fanazavan’ny ben’ny Tanà­nan’Antananarivo, Ramanan­tsoa Harilala, nandritra ny lanonam-panokafana. Efa na­tomboka sahady ny “Vehivavy mitafa” izay notarihiny nandritra izany. Hitohy hatramin’ny 16 marsa ireo hetsika ireo. Ny volana jona kosa vao hikatona ny fampirantiana eny Anjohy.

Zo ny Aina

Partager sur: