INDRAY MIJERY

-22,2% ihany ny vehivavy mpianatra miofana araka asa eny amin’ny sekoly ambony politeknika, araka ny fanadihadiana nataon’ny cabinet Fred Ingeneering sy ny cabinet Miarintsoa ny taona 2024. Fiofanana momba ny olana sedrain’ny vehivavy miasa amin’ny fanaovan-dalana izany.

Rehefa tonga ny fahavaratra, anisan’ireo faritra andalovan’ny rivodoza sy tratry ny orambe ny distrikan’i Vohemar, Andapa, Antalaha, Sambava. Misy ireo
toerana tena marefo ao anatin’ireo faritra ireo. Nisy ny famolavolana drafitra fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza hananana drafitra matipaika, ahafahana miatrika ireo loza mety hitranga. Paikady natsofoka tao anatin’izany ireo asa atao mialoha ny hampihenana ny fiantraikan’ny loza ho an’ny vahoaka, ireo trano fonenany ary ireo fotodrafitrasa.

Miroso amin’ny fandaminana tsy azo ihodivirana ny kaominina Ivato amin’ireo tsena amoron-dalana manelingelina ny fifamoivoizana sy ny fianarana manodidina. Voafetra hatramin’ny 8 ora maraina ny tsenan’ny tantsaha. Manamorona ny Lycée, misy fivarotan-toaka sy mpampiditra hira manakorontana ny mpianatra ka tsy maintsy hoesorina.

Hitondra fanazavana amin’ireo olona voakasiky ny tetikasam-panjakana Rocade Tsarasaotra ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao, anio. Maro ny lainga sy savorovoro iniana volena manodidina ity resaka ity ho fiarovana tombontsoan’olom-bitsy, izany indrindra no hanazavana ny sain’ny mponina.

Partager sur: