Nitsidika ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tetsy Anosikely, ny solontena manokana avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA), Alice Nzomukunda, omaly. Noresahina tamin’izany ny atrikasa momba ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny lafiny fandriampahalemana sy ny filaminana, kasain’ny UA hatao eto Madagasikara. Niantsoan’izy ireo ny Jly Ravalomanana Richard izany mba handray anjara amin’ny adihevitra. “Zava-dehibe ny fanavaozan-drafitra. Tokony himasoan’ny mpitandro filaminana eto amintsika ny fandriampahalemana anatiny”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, tamin’izao fihaonana izao.
Etsy andaniny, nanambara ny solontenan’ny UA fa mahavelombolo ny finiavana sy ny fahavitrihan’ny fanjakana malagasy mandray anjara amin’ny fampiroboroana ny diplomasia aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy aty amin’ny kaontinantan’i Afrika. Teo koa ny fankasitrahany manokana ny ezaka ataon’ny Antenimierandoholona amin’ny fanamafisana ny diplomasia parlemantera. Anisan’ny mpanorina ny vondron’ny Antenimierandoholona aty Afrika rahateo ny Jly Ravalomanana Richard, tamin’ny fivoriana natao tany Yamoussoukro, Côte d’Ivoire, ny volana okobra 2024.
Synèse R.