Mandeha ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-7. Mitohy koa ny any amin’ny RN10, any Ampanihy, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Jude.
Avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana na «Fonds routier» (FR) sy ny tetikasa PDDR an’ny Banky iraisam-pirenena ny vola hanarenana ny ampahan-dalana RN7: Antananarivo-Antsirabe. Eo amin’ny PK 73 hatrany amin’ny PK 94, manodidina ny 20 km, amin’izao fotoana izao no ifantohan’ny asa. Misy koa 12 km, eo amin’ny PK 110 hatramin’ny PK 122. Taorian’ny fikaofana ny lalan-dratsy, naravona ny tany sy nototoina, ka efa manomboka ny fandrakofana godirao. Mipaka hatreo Antsirabe ny asa amin’ity ampahany ity, ka manaraka ny fivoarany ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy Vakinankaratra.
Ny Haba tokana alaina amin’ny vidin-tsolika sy ny vokatra ara-tsolika (TUPP) no fidiram-bolan’ny FR. Avy amin’ny Tetikasa ho fampandrosoana maharitra ny lalana ny PPDR. Famatsiam-bola avy amin’ny Ida, sampandraharaha ao anatin’ny Banky iraisam-pirenena.
Mihatsara ny fifamoivoizana amin’ny RN10
Taorian’ny fiakaran’ny rano, miverina tsikelikely ny fifamoivoizana eo anelanelan’ Andranovory (PK 0) hatrany Ampanihy (PK 226), amin’ny lalam-pirenena faha-10. Efa any an-toerana ny fitaovana «pelle», ka tsy misy intsony ny fiara raikitra noho ny haratsian’ny lalana. Azo handehanana ny radie eo Renosy sy Mahariry. Efa mandeha koa ny fanarenana ny radie any Fanava (PK 230), Mamba (PK 237) ary Tranoroa (PK 264).
Efa miverina amin’ny laoniny ny fitaterana, ka efa nisy fiara niainga avy any Ampanihy nihazo an’i Toliara, ny talata 11 marsa teo.
Ao anatin’ny tetikasa PPDR famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena ny fanamboarana ny RN10, mampitohy an’Andranovory (RN7) hatrany Ambovombe. Anisan’ny asa goavana atao ny fandrakofana godirao azy, mirefy 414 km.
Njaka Andriantefiarinesy