Rivodoza Jude : Manao tampody fohy

Niverina indray ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, halina na anio maraina, ilay rivodoza Jude rehefa avy any Mozambika. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Morombe sy Saint Augustin izy, rahampitso tolakandro, amin’ny tanjaka Tempête tropicale moderée (80 km isan’ora ny rivotra hiaraka aminy).
Manoloana izany, entanina sahady ny mponina amin’ny faritra sy distrika: Atsimo andrefana, Androy, Anosy, Morondava, Manja, Ihosy, Iakora, Befotaka, Midongy Atsimo ary Vangaindrano hiomana ka hampihatra ny fepetra mahakasika ny filazana fanairana miloko maitso.
Tany amin’ny 1 130 km avaratra andrefan’i Morombe no nisy ny foibeny, omaly maraina. 45 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 55 km isan’ora any an-dranomasina. Tsy nihetsika firy izy tato anatin’ny adiny enina farany. Entanina ny mpampiasa ranomasina ma­nomboka eo Besalampy ka hatrany Taolagnaro tsy hiandriaka intsony manomboka anio maraina.

Vonjy

Partager sur: