Sakaizan’ ny Teatra : Hisehatra ny « Le Lamba »

Volana marsa, manamarika ny iray volan’ny teatra. Efa nanokatra izany ny tropy Lisin’Iarivo, ny faran’ny herinandro teo, nitondra an-tsehatra ny “Mitovy fa tsy sahala”, tao amin’ny IFM Analakely. Nitohy tamin’ny fandefasana horonantsary vahiny mirakitra teatra izany, omaly, tao amin’ny IFM. Mbola handray ny Sakaizan’ny Teatra avy ao amin’ny Lycée Rabearivelo Analakely ny toerana, ny sabotsy 15 marsa izao, manomboka amin’ny 2 ora. «Le Lamba», tantara nosoratana sy narindran’i Mbato Ravaloson izy ity, izay notakarina ta­min’ilay tonokalon-dRabearivelo «Le Lamba». Piesy maoderina, fohy dia fohy satria 15 minitra fotsiny ny faharetany.
Hotohizan’ny Sakaizan’ny Teatra amin’ilay piesy «Fitia maroloko» izany, aorian’izay. Maimaimpoana ny fidirana rehefa mbola malalaka ny sezan’ny efitrano Albert Camus. Natao indrindra hampitiavana ny teatra sy handrisihina ireo izay liana amin’izany mantsy ny hetsika. Mbola hisy ny hetsika hafa amin’io herinandro ambony io.

Zo ny Aina

Partager sur: