TARATRY ny KANTO

«Gasy Gasy Anat’sah». Tafaraka eny Anat’Sah, sampanana «art malagasy» Ambohi­trimanjaka indray i Kolibera sy i Nini ary Eric Rason. Seho hotanterahina ny 22 marsa izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro. Araka io lohateny io, hisongadina mandritra ny seho ny fahaizan’ireto mpanakanto ireto mifehy ny gadon-kira gasigasy. Hanokatra ny seho ny Sakaiza Orchestra.

Hisy Radio vitsivitsy eto an-dRenivohitra hanome lanja manokana ny valiha sy ny tontolony. Iray amin’ireny ny Radio Feon’Imerina. Fantatra fa hisy fandaharana fampianarana momba ny valiha sy ny tontolony (fitendrena, tantara, fomba amam-panao, sns), ao amin’io Radio io. Araka ny fandaharam-potoana nambaran’ny tomponandraikitra. Ho fantatra tsy ho ela ny andro sy ny ora handehanan’izany.

Hisy foaran’ny boky indray ao amin’ny CGM / Goethe Zentrum Analakely. Andiany faharoa izy ity, izay hotontosaina ny sabotsy 22 marsa, ao amin’ny efitrano malalaky ny CGM. Boky amidy amin’ny sarany mora, satria dia 500 Ar monja dia mahazo. Natao indrindra hampitiavana ny vakiboky, sy hahafahan’ireo mpankafy boky mivelatra amina karazany maro ny hetsika.

Manana ny hasiny ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Raha mahafantatra io ny atao hoe mpanakanto, tsy hiteniteny foana, tsy hanoratsoram-poana, tsy haneho zava-tsy mendrika, sns, mifanohitra amin’ny soatoavina malagasy. Ny mahavariana, maro ny voasarika amin’ireny ambara fa kanto ireny. Antony iray mampitombo andro aman’alina ireo mpanimbazimba ny hasin’ny kanto izany!

Partager sur: