Nomena voninahitra tetsy amin’ny Orange Digital Center, ireo ekipa malagasy nibata ny amboaran’ny “Orange Summer Challenge 2024”. Ny tetikasa Plastikôo izay miompana amin’ny fanodinana fako plastika ho lasa biriky azo hanaovana trano mafy orina sy mateza ary maharitra hatrany amin’ny 50 taona no nahazo izany. «Mafy noho ny beton ireo plastika ireo, tsy atahorana itsoniko izy ary mahatohitra ny loza voajanahary», hoy ny mpamorina ny tetikasa, Nombatsitoha Sarobidy, omaly, tetsy amin’ny gara Soarano. Nambarany fa ireo plastika mafy toy ny koveta sy ny tavoahangy no azo hanatanterahana ny tetikasa. Ankehitriny, anatin’ny andrana amin’ny fanodinana ireo arina plastika ny ekipa. Ankoatra izay, miara-miasa amin’ireo mpivarotra plastika sy mpanangona izany ny tetikasa Plastikôo hanangonana ireo akora ampiasainy. Manamboatra milina mpanangona ny vokatra ihany koa izy ireo hanamorany ny fahazoana izany. Ity farany izay hapetraka eny anivon’ny serananam-piaramanidina Ivato tsy ho ela. Haparitaka amina faritra maro kosa izany aoriana.
Vina
Tanjon’ny tetikasa ny hamadika fako plastika 300 taonina isan-taona sy hanangana trano vita amin’ity akora ity ary hanamboatra varavarana sy tafo vita avy amin’ny plastika. Kendrena manokana ireo tia fanorenana vita avy amin’ny fako hisorohana ny fanimbana ny tontolo iainana. Nambarany fa manodidina ny 3 taonina eo ny plastika mahavita trano iray, izany hoe, mila biriky miisa 900.
Henintsoa Hani