TSELATRA

Trano iray nirehitra tetsy amin’ny tohatohabaton’ Ambondrona, omaly tamin’ny 01 ora tolakandro. Trano tsy misy rihana mitafo fanitso ary afovoan-tanàna io nirehitra io. Tonga teny an-toerana namono sy nifehy ny afo ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina, telo minitra taorian’ny antso. Maty tanteraka ny afo 20mn taty aoriana. Manentana ny rehetra mba ho mailo hatrany ny vondron’ny mpamonjy voina.
Nalefa eny Tsiafahy ireo enin-dahy voarohirohy tamin’ny resaka vaky fasana tany Ambohimanoa, tao amin’ny fasan’Andriambolamasoandro, kaominina Ma­hitsy, distrikan’Ambohidratrimo. Nalefa eny Antanimora kosa ny vehivavy roa hafa, taorian’ny fiakaran’izy ireo fampanoavana, tetsy Anosy, omaly.
Nidoboka vonjimaika am-ponja ny lehilahy lehibe efa 71 taona nanolana ny zafikeliny 12 taona tany Tsa­ra­mandroso Ambony, rehefa niatrika fampanaovana tany Mahajanga, afakomaly. Nanomboka nanolana io zafikeliny io izy ny taona 2022, teo amin’ny faha-9 taonany. Niaiky ny heloka vitany moa ity lehilahy lehibe ity rehefa nohadihadiana. Tonga nitory teny amin’ny mpitandro filaminana ny renin’ity zaza ka nahafahana nisambotra azy.
Lehilahy roa voasambotry ny polisy noho ny raharaha vaky trano tany amin’ny faritra Bongolava. Na­hazo fitarainana avy amin’ny olona iray ny polisy, afakomaly, mahakasika ny raharaha vaky trano sy nahaverezana entana maro, tao amin’ny fokontany Tsaralalàna, kaominina Tsi­roa­nomandidy. Nidina ifotony avy hatrany ny polisy ary tratra tao an-tranony, tao amin’ny fokontany Avaratse­na, ny lehilahy roa atidoha nikotrika sy nanatanteraka ny famakian-trano. Efa eny anivon’ny kaomisaria izy ireo.

Partager sur: