VAOVAO TAMBATRA

Voafidy fanindroany ho seranana iraisam-pirenena mendrika indrindra aty Afrika ny eny Ivato Antananarivo. Ao anatin’ny sokajy mandray mpandeha latsaky ny 2 tapitrisa isan-taona no voakasik’izany, araka ny ACI World. Ny valin-teny nomen’ny mpandeha sy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eny an-toerana no nahazoana ity loka goavana ity.

Hankalazaina ny 10 hatramin’ny 23 marsa ny Herinandro maneran-tany momba ny vola (GMW). Hetsika hampitomboana sy hanatsarana ny fanabeazana ara-bola. Ilaina ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora amin’ny fandraharahana ara-bola sy hananany hoavy mamiratra eo amin’ny sehatry ny toekarena. Mandray ny hetsika 2025 ny ao Imerintsiatosika.

Havaozina ny fenitra mahakasika ny fatana mitsitsy, tohanan’ny Tetikasa ho an’ny angovo madio (Fier). Ao anatin’izany ny bikan’ny fatana, ny karazany, ny habeny, ny refiny, ny akora hanaovana azy, sns. Tanjona ny hamoahana taratasy fanamarinana ny vokatra iraisana sy eken’ny daholobe. Mangataka fiofanana ihany koa ny mpamokatra.

Partager sur: