Nifampizara traikefa sy torohevitra tetsy amin’ny Antenimieran’ny indostria sy ny varotra Antananarivo (CCIA), afakomaly, ireo vehivavy mpitarika eto amin’ny firenena. Hetsika nanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny hoe « vehivavy, reny, mpitarika : mpisehatra ho an’ny fanovana ». « Manan-talenta manokana isika Malagasy amina sehatra maro », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Stephanie Delmotte. Ankehitriny, efa mihoatra ny ¼ ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara. Ilaina, hoy izy, ny fananana toe-tsaina tia mametraka paikady, ny fahaizana miserasera ary mitantana tetikasa raha maniry ho lasa mpitarika. « Afaka mandray ny andraikitry ny lehilahy ny vehivavy noho izy manana fahaiza-mitantana sy maharisika eo amin’ny fandraharahana », hoy kosa ny filohan’ny Fikambanan’ny Orinasa malagasy (Fom), Tsiranana Fiona. Notohizany fa efa maro ny vehivavy mpitarika eo amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara. Efa mivoatra, hoy izy, ny fomba fisaina fa tsy toy ny taloha intsony.
Ankoatra izay, voaresaka nandritra ny hetsika ny fampivadian’ny vehivavy ny asany, ny mahareny azy ary ny andraikiny eo anivon’ny fiarahamonina. Tanjona ny hanomezan-danja ny toeran’ny vehivavy ho an’ny fananganana hoavy mamiratra sy hampandroso ny firenena.
Henintsoa Hani