Midina ifotony ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), nanomboka ny 10 marsa teo. Nobeazina sy nentanina ny mpampiasa fiarakodia sy ny kodiran-droa mahakasika ny voka-dratsy ateraky ny setroka maloto avoakan’ny fitaovam-pitaterana, noho ny fanaovana antsirambina ny fikojakojana azy. Nitarika ny hetsika teny Andranotapahina ny minisitra Max Andonirina Fontaine, niaraka tamin’ny Polisin’ny Tontolo iainana (OPJE) ao anivon’ny minisitera Medd, ny Fitantanana foibe ny aro loza ny fifamoivoizana (DGSR) ary ny Antokondraharahan’ny fitaterana an-tanety (ATT). Nampiavaka ny fitsirihana ny fametrahana marika sy famantarana manokana ny fiara sy ny kodiaran-droa hita fa voakojakoja tsara, ka tsy nahitana setroka be loatra.
Hitohy manerana ny faritra rehetra ny hetsika fitsirihana sy fanentanana hiadiana amin’ny fandotoana ateraky ny setroka avoakan’ny fiara sy ny kodiaran-droa. Satria, miteraka voka-dratsy amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana izy ireny.
Njaka A.