Mifampiankina ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Fototry ny sakafom-biby sy sakafon’olombelona ny katsaka. Ambany ny famokarana eto amintsika, mahatratra 100 000 taonina (t) ny filana raha toa ka 150 000 t eo ny vokatra.
Tsy mbola niakatra io tarehimarika io hatramin’izao ka mampananosarotra ny famokaran’ireo tantsaha izay mipaka mivantana amin’ny fihariany sy ny toekarena. « Tokony ho voizin’ny fitondram-panjakana ny fambolena katsaka sy soja mba hanatsarana ny vokatra sy ahafahantsika manondrana izany any ivelany », hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Malagasy professionnels de l’élevage (MPE), Anjaratiana Nomenjanahary, omaly. Betsaka, hoy izy, ny akora hafarantsika amin’ny sehatry ny fiompiana nefa malalaka ny tany ka azo trandrahina sy ampiasaina. Ambany ihany koa ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Mila jerena, hoy izy, ny tantsaha mba handrisihana azy ireo hatrany amin’ny lalam-pihariana ataony.
Fepa
Ankoatra izay, tanterahina ny 8 ka hatramin’ny 11 mai, eny amin’ny MPE Nanisana, ny Tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy (Foire de l’élevage et de la production animale) andiany faha-17. Hetsika mifanindry an-dalana amin’ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny MPE. Hiavaka ny hetsika, haseho mandritra izany ny fiompiana trondro an-tanety. Hisongadina ny maha zava-dehibe ny fambolena sy ny fiompiana ho an’ny fanatsarana ny sakafon’ny Malagasy. Hihaona mandritra izany koa ireo mpisehatra samihafa hanamafisana ny fiaraha-miasany mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nanamafy ireo mpikarakara fa tokony hitodika amin’ny tsena ivelany ireo mpisehatra. Notohizany fa anisan’ny mampananosarotra ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana eto amintsika ny zava-misy eto amin’ny firenena, toy ny fahasimban’ny lalàna ka mampiakatra ny vidim-bokatra. Eo koa ny fahalafosan’ireo vidin’ny akora fototra. Marihina, lohahevitry ny hetsika ny hoe « ny fiompiana, fanoitra lehibe amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara ».
Henintsoa Hani