Nandray ireo manamboninahitra zandary sy tafika, eo anivon’ny Akademian’Antsirabe (Acmil) solontenan’ny andiany faha-17, tetsy Anosikely, ny filohan’ny Antenimieran-doholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nitarika izany ny komandin’ny andiany, ny Kly Be Fregis. Nanafatrafatra azy ireo sady nizara traikefa tamin’ireo andiany eo ambany fiahiany ireo ny filohan’ny Antenimierandoholona. “Aoka hohajaina hatrany ny fitsipi-pifehezana sy hanaovana ny asa araka ny lalàna, mba ho fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany ary ny Andrimpanjakana”, hoy izy. Nanteriny fa tokony tandrovana hatrany ny firaisankina sy ny fifankatiavana eo amin’ny mpiray andiany, tahaka izao, araka ny nambarany. Notsindriny fa tokony hifanohana hatrany amin’ny fanatanterahana ny adidy aman’andraikitra ho an’ny tanindrazana ihany koa ny mpiray andiany rehefa eny an-tsehatra. “Aoka sanatria amintsika ny hifampialona sy hifanaratsy”, hoy ihany izy.
Voaresaka koa ny fankalazana ny faha-15 taona nidiran’izy ireo tao amin’ny Acmil. Hotanterahina ny 13 septambra izao izany ka nanasana ny filohan’ity Andrimpanjakana ity. Naneho fahavononana hamaly izany ny Jly Ravalomanana Richard ka hanolotra maimaipoana toerana eny Ambohimanga Rova amin’ny fiaraha-misakafo sy ny korana.
Tsiahivina fa ray mpiahy io andiany io ny filohan’ny Antenimierandoholona, ho an’ny taona 2010 hatramin’ny 2012.
Synèse R.