Hampiantrano fifaninanana iraisam-pirenena goavana indray ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB). Hotanterahina eto Antananarivo, ny 27 ka hatramin’ny 31 mey ho avy izao, ny fiadiana ny “IHF Trophy” taranja handball, ho an’ny faritra fahafito, sokajy Cadette sy ny Junior, lehilahy.
Raha tsy misy ny fiovana, hiady izay ho lohany amin’io avokoa ireo firenena 5 aty amin’ny faritra fahafito ahitana an’i Madagasikara sy Maorisy, Comores, Seychelles La Reunion. Hanana ny lanjany goavana ity fifaninanana ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “IHF Trophy kaontinantaly”, eo amin’ireo sokajy roa ireo.
Marihina fa tsy ao anatin’ ity fifaninanana ity ry zareo reinionais teo aloha saingy amin’ity raha toa ka mahazo fandresena izy ireo, hisolo tena ny faritra fahafito. Tsiahivina fa efa nandrombaka ny fandresena ny Akio saokajy vehivavy, ny taona 2023, tatsy Afrika Atsimo, ho an’ny faritra fahenina sy fahafito mitambatra, ka nahazoany ny tapakila niatrehina ny fifaninanana kaontinantaly tany Côte d’Ivoire.
Tanjona amin’ity ny handrombahan’ny Akio U17 sokajy vehivavy sy ny U19, lehilahy, ny fandresena. Tombony ho an’ny Malagasy rahateo ny hilalao eto an-tanindrazana sy manoloana ireo mpanohana. Efa ao anatin’ny fitiliana ireo ankizy handrafitra ny ekipam-pirenena, amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra rahateo ny federasionina.
Tompondaka