«Mahafinaritra ny maheno anareo miresaka satria toy ny mihira », hoy ny vahiny! Porofo io fa tsy manalavitra ny hira ny fiainan’ny Malagasy. Na tsy nisy aza ny fitaovana nentin’ny Malagasy nitahiry ireny hira ireny, tsy nahitana fiovana na ny tonony na ny feony an-jato taona aty aoriana. Mbola manamafy ihany izany fa tsy fahafinaretan’ny sofina fotsiny no nampiasan’ny Malagasy ny hira fa fitaizana mihitsy.
Nanampy ny fitantarana angano, hira. Matetika any anatin’ireny angano ireny ahenoina hira. Ohatra, ny anganon’ny «Zanak’ Antsaly» maneho ny fitiavan’ny ray aman-dreny ny zanany. Manasongadina ny tsy tokony hanaovan-javatra tsy voadinika, sns. Ilay tononkira « Nankaiza e, nankaiza, nankaiza ny zanak’antsaly? Nankany e, nankany, any amin’ny kibon-dRangahy ! », nentin’ny Malagasy naneho tamin-janany fa tsy afa-maina ny mpanao ratsy.
Ilay aingam-panahy, efa mitoetra ao amin’ny Malagasy. Tsy nisy hira ka noforomporonina fotsiny tamin’izao fa nisy antony avokoa. Nibata vato, noforonina ny hiran’ny mpitari-bato. Nampita hafatra, nohiraina ny kalo. Nampatory zaza, naverina impito ny « Iny hono izy Ravorona ». Namitranam-pihavanana sy nanenina tamin’ny ratsy natao, noforonina ny « Mivalo aminao », sns. Izany hoe, nifanaraka sy nifameno tanteraka tamin’ny fomba amam-panaon’ny Malagasy ireny hira ireny. Nampiasainy tamin’ny ilany azy.
Nandranitana saina, nanolokoloana ny fanahy
Tany ambadik’Imanareza (vanim-potoana malagasy tsy voarefy amin’ny fanisana andro gregorianina), nampiasa zavamaneno tsotra nanarahina hira ny Malagasy. Anisan’ireny ny lamako (valanoranom-biby), amponga isan-karazany (amponga tany, amponga vilany, sns), farara vava, sns. Mbola voatazona hatrany anefa ilay maha fanabeazana sy fitaizana ny hira. Hain’ny tsirairay ny « E Raivo a! », nampahafantaran’ny Malagasy ny taranany fa mila milalao ny ankizy mba tsy ho « bonaika an-trano ka sain-kanina no hiafarany ».
Na teo aza ny embona sy hanina nofohazin’ny Malagasy tamin’ny alalan’ny zavamaneno toy ny sodina, zava-dehibe ny nampiasany ny zavamaneno mandranitra ny saina. Iray amin’ireny ny valiha. Saika nahitana olona iray nahay azy io avokoa ny isan-tokantrano fahiny. Voaporofon’ny mpahay siansa anefa fa izay zatra mihaino zavamaneno iray tarika amin’ny valiha (maneno amin’ny alalan’ny hararetran’ny tadiny), kinga saina sy lalim-pandinihana. Isan-kariva, mitendry hira sy mihira miaraka amin’ny zafikeliny i dadabe na i nenibe mikalo ny « Diavolana fenomanana takariva », hoenti-mampita amin’ny zafikeliny ny tokony ananan’izy ireo ny fahatsorana. « Mazava atsinanana », milaza fa tsy voatery hiaraka honina mandrakizay ny mpianakavy fa tsy maintsy misy ny fisarahana.

Mihazakazaka any amin’ny fanovana
Miezaka ny mamorona ny Malagasy ankehitriny. Vitsy ireo mahatazona na mitazona ny teo aloha. Tsy mijery ny maha fanabeazana sy fitaizana ny hira ny ankamaroan’ny mpamorona. Indraindray aza mihazakazaka any amin’ny fanovana, ny sasany, noho ny antony tsy fahalalana na finiavana te hitondra « fanavaozana », hono. Simba sy potika nanaraka izany ilay fitaizana sy fanabeazana ao anatin’ny hira.
Ankehitriny, mihavery tsikelikely ny nampiasan’ny Malagasy ny hira. Mivadika ho fanafitohinana fa tsy fahafinaretan’ny sofina intsony no heno amin’ny hira sasany. Mazana, anefa, haingana sy mianaka be ny hira tahaka izany. Niha maivana miaraka amin’ireny ny fandraisan’ny tsirairay ny hira, ny mpanakanto, mipaka hatrany amin’ny zavakanto amin’ny ankapobeny mihitsy. Tranga mila fanarenana haingana.
Mirefarefa amin’ny tany ilay fahalalana
Tsy nahavita adidy ireo raiamandreny, satria, tsy nahay nampita? Nanjary nirefarefa amin’ny tany ny fahalalan’ny Malagasy ny momba ny hira sy izay mifandraika amin’izany (tonony, feony, zavamaneno…). Mamoron-kira izay te hamorona. Mihira izay te hihira. Tsy misy vidiny intsony eo amin’ny Malagasy ny hira. Na ilay aingam-panahy (fototry ny famoronana rehetra) aza tsy fantatry ny mpamorona intsony ny fisiany sy ny fomba fiasany. Tsy misy aingam-panahy (fanahy maha olona) azo amina zava-mahadomelina. Ny asan’ny saina no voakitika amin’ireny ka miteraka ny atao hoe visavisa. Kanefa, efa mahazo vahana eo amin’ny tontolon’ny famoronan’ny Malagasy hira izy io ankehitriny.
Mila manao ezaka lehibe ireo mahalala, mampahafantatra. Tsy tokony ho menatra hanontany ireo mamorona. Raha tsy miara-miasa ireo, hifotetaka amin’ny tany tsy ho ela ny kanto malagasy iray manontolo. Tafiditra ao anatin’izany ny hira… Ho ratsy taiza tanteraka ny taranaka Malagasy!