SOMBIM-BAOVAO

Mitohy hatrany ny fampivondronana ireo mpikatroka tolona izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tolona. Tsiahivina fa ny volana avrily ho avy io ry zareo ny hanao ity fifanintsanana ity. Mari­hina fa manana fikasana ny hitondra mpitolona maro amin’ity fifaninanam-pirenena ity ny federasionina.

Efa fantatra avokoa ireo klioba tafita hiatrika ny lalao ampahefa-dalan’ny « ligue des Champions 2025 », anisan’izany ny ekipan’ny Paris Saint Germain, France, ny Real Madrid, Espagne, ary ny FC Barcelone Es­pagne, ny Bayern Munchen, ny Dortmund samy avy any Allemagne, ny Aston Villa sy ny Arsenal, avy ao Angle­terre. Tsiahivina fa hatao ny volana avrily ho avy io ny tohin’ity fifanintsanana ity.

Hanomboka anio ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, hatao any Thai­lande. Ny ekipan’ny Chine no hifanandrina voalohany amin’ny Ankoay vehivavy, raha toa ka ny ekipan’ny Serbie no miandry voalohany ny Ankoay lehilahy, ho amin’ny anio. Canada sy Autrice kosa no hifanandrina amin’izy ireo, amin’ny lalao faharoa.

Hotanterahina any Kenya, ny 22 hatramin’ny 25 mey izao, ny “Tournoi d’échecs scolaires d’Afrique”. Misokatra ny fisoratana anarana ho an’izay maniry handray anjara amin’izany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny federasionina malagasin’ny taranja échecs. Fifaninanana natokana ho an’olon-tokana.

Partager sur: