TARATRY ny KANTO

Rolf Trio, eny amin’ny La Teinturerie Am­pasanimalo. Hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany ity seho ity, rehefa elaela tsy tazana an-tsehatra ry Rolf sy ny namany. Ho an’izay tsy afaka anio, mbola hisy fiarahana ihany koa rahampitso eny amin’ny Craam Ankatso, manomboka amin’ny 4 ora. Hialohavan’ny tafatafa ny mozika mandritra io fotoana io.
“THB Mifety”, eny amin’ny Santilo Anosizato. Roa andro an-danonana, satria hanomboka anio amin’ny 4 ora hariva ny fety eny an-toerana. Handrasana amin’ny seho anio i Samöela. Hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro kosa ny rahampitso, ka Raouto no hanafana izany. Hisahana ny fanentanana mandritra izany i Bahrone.
Mikaroka mpilalao sarimihetsika ny SAHHAF Production. Ao anatin’ny fampivelarana ny asany ity trano mpamokatra sarimihetsika ity amin’izao fotoana. Miantso ireo liana amin’ny filalaovana sarimihetsika, mba handefa ny mombamomba azy, araka izany, izy ireo.

Partager sur: