Tsy azo atao intsony ny fanovanana ny sorabola (avenant) amin’ny tsenambaro-panjakana rehefa vita ny fandraisana tanteraka ny asa. Tsy maintsy atolotra ny filankevitry ny minisitra na ny governemanta ny fanaovana azy raha misy. Tsy azo hahitsy koa ny fifanarahana amin’ny vola aloa mialoha (avance) raha toa ka mihoatra ny 1/3 ny fanovana.
Miisa 131 ny tranoheva hampiranty sy hampahafantatra ny vokatra ataony mandritra ny Fepa (Foaran’ny fiompiana sy ny fambolena), andiany faha-17. Mpitsidika 20 000 no andrasana ho avy. Miisa enina ny lohahevitra ho voaboasana mandritra ny efatra andro raha toa ka fifanaraham-piaraha-miasa miisa dimy kosa no hosoniavina amin’ireo fotoana ireo.
Nisitraka fotodrafitrasa sy fitaovana fitahirizana hazandranomasina ny mpanjono any Antanambao Port, akaiky ny reniranon’i Tsiribihina, faritra Menabe. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “GEF6-AMPs” ny hetsika, entina hiantohana ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary an-dranomasina sady hanatsarana ny velon-tenan’ny mponina izany.
Hamoraina ny fampirantiana ny asa tanana malagasy any Sina. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny masoivohon’i Sina, Ji Ping, sy ny minisitry ny Fizahantany sy ny taozavatra, Dewa Viviane, ny 11 marsa teo. Eo koa ny hetsika maro samihafa hotanterahina eto Madagasikara amin’ny lafiny taozavatra sy kolontsaina.