Fampandrosoana : Hamafisina ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina

Voaresaka nandritra ny fikaonandohan’ ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ireo paikady maharitra ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Mila hamafisina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena.

Vaindohan-draharaha ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fiaraha-miasan’ny rafi-panjakana sy ny sehatry tsy miankina. Ni­fanakalo hevitra momba ireo paikady maharitra ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ny roa tonta tetsy amin’ny Carlton, ny alatsinainy teo. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-mi­asa sy hampiroborobo ny fampiasam-bola eto Mada­ga­sikara. Voaresaka nandritra ny fivoriana natao fa dingana lehibe hampiroboroboana ny fandraharahana sy hanatsara ny tontolon’ny asa eto Mada­gasikara ny fifandraisan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, izay fototry ny fandrosoana.
Ankoatra izay, nisy ny famakafakana ny tatitry ny asa tamin’ny taon-dasa, ny tombana sy ny vina ho amin’ny hoavy. Nifanakalo hevitra ma­ha­kasika ireo laharam-pahamehana ho an’ny taona ho avy ny mpandray anjara samihafa. Nofintinin’ireo komity ihany koa ireo tondro ara-toekarena sy ara-pandraharahana eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena.

Mifampiankina
Mbola ny 36% ny mponina no misitraka ny herinaratra eto Madagasikara. Ambany io taha io raha oharina amin’ireo firenena aty atsimon’i Sahara izay manodidina ny 48,4%, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. 14% ny mponina no mampiasa ny angovo madio ho an’ny fandrahoan-tsakafo. Miankindoha amin’ny fampiasana ny arina fandrehitra kosa ny Malagasy an-tapitrisa maro. Tanjona ny hampakarana hatrany amin’ny 80% ny tahan’ny fisitrahana herinaratra ho an’ny taona 2030. Azo avy amin’ny angovo azo havaozina sy ny « mix énergétique »ny 85%. Tombanana hatrany amin’ny 7 miliara Ar ny fanatanterahana ny tetikasa. Angatahana ny fandraisan’anjaran’ny sehatra tsy miankina enti-manatanteraka ny vina indrindra amin’ny famatsiam-bola 60% na ny 4,5 miliara dolara ny tetikasa, hoy hatrany ny fanazavana voaray.

Henintsoa Hani

Partager sur: