Fampivelarana ny saina sy ny kanto : Mila hamaroina ny seho amin’ny andro atoandro

Rehefa atoandro, miato kely ny asa aman-draharaha sy ny fianarana. Amin’ny andro atoandro, matetika tsy latsaka ny orana raha fotoam-pahavaratra. Atoandro ny andro, fanangonan-kery hiatrehina ny tolakandro… Tom­bony omen’ny andro atoandro avokoa ireo. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola tafiditra loatra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Malagasy ny hiatrika na hijery zavakanto na fialamboly mandritra ny atoandro. Tsy voatery ho fampisehoana rindrankira eny an-tsehatra ihany fa mety ho fampirantiana (hosodoko, tantara…). Mahaliana sy mampitombo fahalalana avokoa ireny.
Mila hamaroina manaraka izany ihany koa ireo toerana na efitrano afaka hanatontosana ny ranty sy ny fampisehoana. Ho an’ny firenena manome lanja ny kolontsainy tahaka an’i Italy, ohatra. Isaky ny kartie na faribohitra iray, ahitana trano fitehirizam-bakoka, fanaovana lanonana, efitrano fampirantiana, toerana malalaka hampirantiana ny tantaran’ilay tanàna, sns. rehefa atoandro, maro mpitsidika na mpijery izy ireny.
… Tsy nobeazina hijery fampisehoana an-tsehatra na hitsidika fampirantiana, sns, amin’ny andro atoandro ny Malagasy. Kanefa, raha ny filazan’ny mpikaroka momba ny fahasalamana: «anisan’ny ilain’ny saina ny mialavoly amin’ny atoandro mba tsy havesatra ho azy ny niatrika ny tontolo andro».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: