SOMBIM-BAOVAO

Ho fantatra anio, any Ihosy, izay ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny Cross-country, taranja atletisma. Fifaninanana karakarain’ny Fede­rasionina malagasin’ny atletisma. Ankoatra ny fihaonana ho an’ny sokajy Senior, lahy sy vavy, hisy koa ny an’ireo zandriny Junior sy Cadet, lahy sy vavy. Eo koa ny hazakazaka mifampitohy hifanandrinan’ireo mpianatra any an-toerana.

Hotanterahina anio sy rahampitso ny fanokafana ny taom-pilalaovana 2025, taranja tsipy kanetibe. Homarihina amin’ny fifaninanana ho an’olon-telo miaraka izany, izay hampanaovin’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM). Eny amin’ny kianja Soaman­drakizay no hanaovana izany ka handray anjara amin’
izany ireo Senior, Junior, Vétérans, ary ny vehivavy.

Hiditra amin’ny manasa-dalana, anio, ny fifaninanana “XXL Smatchin by Be Connect”, taranja basikety, tanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ekipa misongadina ary anisan’ny nahazo ny tapakila amin’ity manasa-dalana ity ny ekipan’ny IUM, lahy sy vavy. Anisan’ny tafakatra ihany koa ny ekipan’ny Emit, sokajy vehivavy.

Hotanterahina ny 17 hatramin’ny 19 avrily izao, ao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja judo, sokajy Minimes, Juniors, Cadets ary Seniors. Hitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao any Côte d’Ivoire, ny 25 hatramin’ny 28 avrily, io fifaninanana io.

Partager sur: