Nahabe resaka indray, omaly, ny mahakasika ilay resaka fanapoizinana ara-tsakafo tany Mahajanga. Lasibatra tamin’izany ny mpitondra fanjakana ambony, toy ny Filohan’ny Repoblika mivady. Minisitra, loholona, solombavam-bahoaka sy olona manan-kaja maro no narary, raha ny tatitra ofisialy. Nisy ny naiditra hopitaly, nisy ny afaka nanaraka fitsaboana tany an-trano.
Manoloana ny voina, maro tamin’ny mpanara-baovao no namadika ny resaka ho politika. Misy ny vondron’olona milaza fa misy dia ratsy saina, nikasa hamono ny mpitondra angamba? Mivoy ny resaka fa fanapoizinana niniana natao mba hanakorontanana saim-bahoaka. Tsy kely lalana ny ratsy fa misy mitady ny hampiady an-trano indray ny mpiara-mitantana ny firenena.
Ny mpanohitra fitondrana moa, etsy ankilan’izany, mamadi-dresaka ny sasany. Miaro be fahatany ilay trano fisakafoana. Lazaina fa misy ny fanamparam-pahefana, raha misy ny fandraisana andraikitra. Niaraha-nahalala rahateo fa resaka vokatra an-dranomasina no nokirakiraina. Tsy misy zava-doza tahaka ny voapoizin’ny sakafo tahaka izany angamba. Mahafaty malaky sy haingana.
Hiandry inona izany vao mba haka fepetra ny fanjakana e! Rehefa mahametimety ny sasany dia hosana hosana, rehefa manirikiry dia homboy homboy. Misy dia mitady ny hanaovana fanjakan’i baroa fotsiny raha zohina akaiky. Tadiavina hamono olona hafa na dia efa niala tsiny aza ve izany ny tompon’antoka amin’iny tranga iny.
Mahavariana fa tia manao vain-drahalahy tsy maharary mihitsy ilay Malagasy, “sasany”. Miandry kendry tohina fotsiny amin’ny fahavoazan’ny hafa. Tsy hita taratra intsony ilay tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary. Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana. Zary, raha maty aho matesa rahavana, fa raha maty rahavana matesa ny omby! Tena lasa tia kely!
r.r