TSELATRA

Razana tsy nisy tanana sy rantsan-tongotra ary loha, potika, ary volo miparitaka no nisy nahita tany Antsohihy, omaly. Olona hamonjy asa vao maraina no nahita izany ka nampilaza ny fianakaviana. Ny talata 11 marsa teo izy no efa tsy hitan’ny fianakaviany intsony, nanomboka ny fikarohana. Efa nosamborina sy nanaovana fanadihadiana ireo olona nifanerasera taminy tamin’io andro io.
Olona roa matin’ny fanapoizinana ara-tsakafo, afakomaly maraina, tany Ivoenana, fokontany Kirano, kaominina Solila. Niara-nihinana sakafo nasiana “mayonnaise” ny fianakaviana iray, ny talata 11 marsa 2025 atoandro, nanomboka niara-narary kibo sy mandoa ary mivalana izy fito mianaka tao an-trano. Nentina notsaboina teny anivon’ny hopitaly Ikalamavony ary maty afakomaly ny olona roa tamin’ireo narary. Manaraka fitsaboana eny an-toerana ireo ambiny.
Lehilahy iray tratran’ny polisy nitondra kisoa halatra anaty gony tetsy Antsorokahitra, Imerintsiatosika, ny alin’ny alarobia 12 marsa 2025 lasa teo. Nampiahiahy ny plisy nanao sakana teny an-toerana ny fihetsik’izy ireo ka nosavaina. Hita tao anatin’izany ny kisoa 80 kg. Nosamborina ny lehilahy iray raha toa ka tafatsoaka ny namany iray hafa.
Nalefa eny amin’ny fonjabe Avaradrano, afakomaly, ny roa lahy nandray anjara tamin’ny fahaverezana moto sy fitazomana, fifohana ary fivarotana rongony tany amin’ny fokontany Ambalavola, rehefa natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany teny Antananarivo Avara­drano. Marihina fa nahatrarana mpivarotra zava-mahadomelina “Rôrô” tao amin’io fokontany io ka nanomboka teo ny fikarohana nataon’ny borigadin’i Talata Volonondry.

Partager sur: