Hojerena ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Afrika atsimo eo amin’ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka. Hampitomboina ny sidina ho tonga eto amintsika na avy amin’ireo kaompaniam-pitaterana avy ao Afrika na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hojerena koa ny sehatry ny fitaterana an-dalamby hampandrosoana sy hanitarana ny zotra efa misy.
Tsy mbola nampiditra gogo an-dranomamy « poisson chat » eto Madagasikara ny fitondram-panjakana. Ananantsika io gogo io saingy anaty ranomasina no misy azy. Takina ny fanarahan-dalana sy ny fahazoan-dalana samihafa rehefa vita ny fanadihadiana ara-tontolo iainana ho an’ny fiompiana hazandrano atao.
Tafiditra ho mpikambana eo anivon’ny EDBM ny filohan’ny CSI teo aloha, Rabenarivo Sahondra, sy ny tale jeneralin’ny vondrona Arbiochem, Andriamanalina Rivo. Marihina fa andraikitry ny EDBM ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ho an’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena.
Manafosafo ny 5 000 Ar indray ny euro iray. Porofo izao fa mitotongana ny Ariary sy ny toekarem-pirenena. Ambony ny fanafarantsika entana raha oharina amin’ny fanondranana atao. Anisan’ireo vokatra afarantsika ny solika, ny kojakoja fampiasa andavanandro. Mbola ambany lavitra kosa ny lavanila, letisia, sy lamba aondran’i Madagasikara any ivelany.