Andranomena Antananarivo ; Hanova ny olona hihatsara kokoa ny tempoly

Napetraka ny sabotsy teo ny vatofototra ho fanombohan’ny asa fanorenana ny tempolin’Antananarivo etsy Andranomena. Nentin’ireo mpino sy ny mpitarika ny fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany am-bavaka izany.

Nambaran’ny loholona Denelson Silva, anisan’ireo fitopololahy ma­nam­pahefana ambony, fa Trano Masina ahafahana manao asa masina mampihavana amin’Andriamanitra izao tempoly izao, ankoatra ilay fiangonana efa mijoro eo an-toerana. “Tany ivelany no nandehanan’ny mpino teo aloha fa efa misy izany izao eto Madagasikara ahafahana mihavana amin’­Andriama­nitra… Hanova ny olona ho amin’ny tsaratsara kokoa izany”, hoy izy.
Tsiahivina fa nambaran’ny filohan’ny fiangonana Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany, Russel Nelson, ny oktobra 2024, ny hanorenana izao tempoly izao. Haorina eo Andranomena, amin’ny velaran-tany 397 ha izany. Tsy ahitana rihana saingy mahatratra 929m2 ny habeny.
Nisantatra ny fanombohan’ny asa teny an-toerana ny loholona Denelson Silva, anisan’ny mpanolotsaina voalohany eo anivon’ny fiadidiana ny vondrom-paritra Afrika atsimo. Hiavaka izany satria tempoly lehibe ho an’ny aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina izao haorina izao.
Nambaran’ny ben’ny Tanànan’Antehiroka, Andrianarivelo Toky Harilanto, fa zava-dehibe izao ary anisan’ny endriky ny kaominina sady tempoly lehibe eto Madagasikara. “Am-pitiavana be no andraisana izao fotodrafitrasa eto aminay izao satria sady vavahadin’Antehiroka izany”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: