Nofaranana tetsy amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina, ny sabotsy teo, ny fankalazana ny Andro afrikanina ho an’ny skoto, andiany faha-15. “Nahomby ny hetsika natao teto Madagasikara nandritra io fankalazana io, porofon’izany ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa natao”, hoy ny Commissaire général de la Fédération du scoutisme eto Madagasikara, Botolahy Ernest Angelo. Nahafahana nanao izany ny ezaka nataon’ny firaisan’ny skotisma eto Madagasikara. “Zava-dehibe ny fijoroan’ny fikambanan’ny skoto ho modely, indrindra amin’ny fandraisan’izy ireo anjara manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena”, hoy kosa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Iray ihany izy ireo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fifanampiana amin’ny maha olona ary ny fanabeazana olom-pirenena. Tsy azo tapena-maso ny zava-bitan’ny skoto teto amin’ny tany ama-monina. Fotoana izao raha hatao ho tsangambaton’ny fankalazana ny faha-100 taona ny fangatahan’izy ireo ny hanaovana “utilité publique” ho an’ny fikambanan’ny firaisan’ny skoty. Mino sy manantena izy ireo fa ho tohanan’ny fanjakana amin’izany. Hanampy betsaka amin’ny fahazoana izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Mbola handray ny fihaonamben’ny tanora skoto afrikanina sy ny fivoriamben’ny skoto afrikanina i Madagasikara amin’ny volana septambra ho avy izao. Fotoana lehibe handraisana fanapahan-kevitra mahakasika ny skotisma io fotoana io.
Mino