“Ilaina ny mpanohitra eto amin’ny firenena, fa arofanina amin’ny tany demokratika”, hoy ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina tany amin’ny distrikan’i Faratsiho, Vakinankaratra, Ramilison Nomenjanahary. Tsy hoe fahavalo na anaovana vavabe etsy sy eroa amin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga ny mpanohitra. Tsy mpifahavalo ny mpitondra sy ny mpanohitra, fa ny hevitra no tsy itoviana. Tanindrazana iaraha-manana i Madagasikara. Izay no anaovanay antso avo hanajanona ny vava tafahoatra sy ny fandranitana. Fa inona ny zavatra maharary ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao? Eo ny tsy fandriampahalemana, ny fahantrana lalina… Izay no anairany ny mpanatanteraka amin’ny maha solombavambahoaka azy, manana adidy aman’andraikitra manoloana ny zavatra iainan’ny vahoaka eny ifotony izy ireo.
Efa nisafidy hoe firenena demokratika i Madagasikara: ny ao anatin’ny maro anisa no mitondra. Manaiky an’izany ny mpanohitra. Saingy mila mifanaja fa izay no lalàna velona: misy mpitondra, misy ny mpanohitra. Tsy misy fampandrosoana raha tsy mipetraka aloha izay andraikitry ny tsirairay izay. Samy tomponandraikitra na ny mpitondra na ny mpanohitra. Anjaran’ny mpanohitra ny mijery izay rehetra fitantanana tsy mety sy tsy manjary eto amin’ny firenena. Izay no hoe arofanina amin’ny tany demokratika. “Na eo aza ny fahasahiranana, manaraka akaiky ny raharaham-pirenena ny vahoaka. Fotoana tena ilan’ny vahoaka ny fampandrosoana izao. Tena midona any aminy ve ny fampandrosoana eritreretina hatao?”, hoy izy.
*
R. Nd.