Nahazo fitaovana ny Apipa, sampandraharaha eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nisitraka izany ireo mpiasa mirotsaka an-tsehatra amin’ny fanadiovana lakandrano ka anisan’ny nanaovana izany ny tetsy amin’ny farihin’i Masay, ny asabotsy teo. “Atao tanana ny asa ary miroboka ao anaty rano ireo mpiasa ka izao nomena fitaovana izao. Ilaina koa ny fampitaovana tahaka izao ho an’ny borigady manara-maso ny fikorianan’ny rano sy ny fijerena fefiloha”, hoy ny filohan’ny fikambanana First, Razafindraniony José. Nanteriny fa anisan’ny ataon’ny Apipa ny miatrika ny mialoha sy mandritra ny fahavaratra ary ny aorian’izany. Nahitam-bokany izany fa nalaky nidina ny rano na betsaka aza ny rotsakorana.
Etsy andaniny, nampiana ny isan’ny mpiasa hiditra an-tsehatra amin’ny fanadiovana lakandrano. Miisa 130 izy ireo izao. Maherin’ny 50 km ny lakandrano diovina ka tsinjaraina amin’izany toerana izany ireo mpiasa.
Tsiahivina fa nisitraka baoty, akanjo tsy lena miaraka amin’ny sakafo entina mody ireo mpiasa.
Synèse R.