Miisa 35 tamin’ireo voafonja 64 no nahavita fiofanana teny Sinoa eny Antanimora. Nisahana izany ny ONG Tohanako. Nandray ny mari-pankasitrahana izy ireo ny zoma teo ary afaka hanatanteraka indray ny fanadinana ahazoan’izy ireo ny diplaoma iraisam-pirenena amin’ny teny sinoa, iarahana amin’ny “Institut Confucius de l’Université d’Antananarivo”.
Tafaverina eto Madagasikara ny zoma teo ilay bolongam-bolamena 49 kg, sarona tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Kaomoro, Prince Said Ibrahim, ny desambra 2021. Mariky ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta izao ary manamafy ny ady iraisana eo amin’ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena.
Nakaton’ny fanjakana ny faran’ny herinandro teo ny “Coco Beach” ao Mahajanga. Nilatsaka ny sazy ho an’ity toeram-pisakafoana sy hotely ity taorian’ny fahapoizinana ara-tsakafo nahazo ny filoha Rajoelina Andry sy ny sasany amin’ireo delegasionina niaraka taminy, ny 8 marsa teo. Antony ny fisorohana ny mety mbola hitrangan’izany.
Nahafaly ireo mponina eny Ankorondrano Andranomahery ny fahavitan’ny ampahany amin’ny lalana eny an-toerana. “Afaka tamin’ny fotaka izahay mponina ety ka manolotra fisaorana ny depiote Ralambomanana Feno”, hoy izy ireo. Efa eo an-dalana koa izao ny fanamboarana ny ampahany manaraka ary efa ho vita hatraminy farany izany.