Nifarana ny 14 marsa teo, tany Mahajanga, ny atrikasa namolavolana ny fenitra mahakasika ny fatana mitsitsy, ampiasana kitay na saribao. Misy karazany roa ny lasitra fenitra nolaniana. Voalohany, ny fatana ampiasana saribao na kitay sy akora fahandro hafa (biocombustibles solides non carbonisées). Faharoa ny fatana mitsitsy ampiasana saribao na saribao nohatsaraina. Nasiam-panavaozana ny endriky ny fatana, ny karazany, ny refiny sy habeny, ny akora anaovana azy, ny famantarana manokana an’izay nanamboatra azy, sy ny pitsopitsony. Nohatsaraina ny kalitao sy ny taratasy fanamarinana ny vokatra, mba tena mitsitsy tokoa.
Dingana manaraka ny andrana mandritra ny 60 andro, fakana hevitra farany, mialoha ny fankatoavana sy fampiharana azy amin’ny fomba ofisialy. Ao anatin’ny famatsiam-bola ho an’ny angovo maharitra (Fier) ity tetikasa ity, iarahana amin’ny Pnud, ny UNCDF, ny Onudi, BNM, CNRIT. Nandray anjara tamin’ity atrikasa tany Mahajanga ity ny mpisehatra rehetra, ahitana ny fanjakana, ny teknisiana, ny mpamokatra ary ny solontenan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa.
Njaka A.