“Fiba 3×3 Champions Cup”: Tapitra ny lalan’ny Ankoay lahy sy vavy

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Thailande, ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3. Tsy nahomby ny ekipa malagasy, lahy sy vavy.

Taorian’ny faharesena intelo nisesy nahazo ny ekipa malagasy Ankoay nandritra ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifaninanana “Fiba 3×3 Champions Cup” natao tany Bangkok Thai­lande, ny faran’ny herinandro teo, tapitra hatreo ny lalana ho an’ny Ankoay. Tsy afaka manohy intsony ny fifaninanana izy ireo. Raha hiverenana ny dingana nodiavin’izy ireo, azo lazaina ho nahavita nilahatra tamin’ireo andrarezina maneran-tany, eo amin’ny taranja basikety 3×3, ny ekipa malagasy, indrindra ny sokajy lehilahy. Faharesena tamin’ny isa 1 sy 2 monja no naharesy an-dry Elly sy ny namany, tamin’ireo lalao roa nihaonana tamin’i Serbie (21-19) sy Pays-Bas (18-17). Ny nifandona tamin’i Autriche no somary nanahirana ny ekipa malagasy sokajy lehilahy, izay nandresen’i Autriche an’i Madagasikara, tamin’ny isa 22 no ho 14. Nilalao nanoloana ny henjana ny Ankoay kanefa nahavita nampifandanja ny lalao, araka ny nambaran’ny mpanazatra azy ireo, Randrianarivelo Jean de Dieu (Coach Deda). Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, miha manakaiky ny sehatra maneran-tany, saingy mbola mila ezaka ny zava-bita. Raha fintinana mantsy ny lalao 3 natrehina, azo lazaina ho tsy mahamenatra ny vokatra nanoloana an’i Chine (21-12) sy Allemagne (16-12). Sarotra ho an’ny Malagasy kosa ny nifanehatra tamin’ny ekipan’ny Canada ka isa 21 no ho 6 be izao no nanamontsanan’ny Kanadianina an-dry Muriel sy ny ekipany. Na teo aza ny faharesena, mitohy hatrany ny lalana ary efa miomana sahady ny ekipa malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika basikety 3×3, hatao eto Madagasikara, ny volana jona izao.

Mi.Raz

Partager sur: